Raim-pianakaviana nitondra moto namoy ny ainy vokatry ny lozam-pifamovoizana nahazo azy ny sabotsy 20 septambra 2025 atoandro lasa teo. Avy aty Antananarivo hihazo an’Ampefy izy no niharan-doza. Nidona tamin’ny rindrina teo amin’ny sisin-dàlana hiditra ny fiholanana teo Faratazana Ambodivona, fokontany Ampaisokely, kaominina Miarinarivo, izy. Nahenoana fofona alikaola ity lehilahy ity tamin’ny fizahana azy. Maro ny taolana tapaka tamin’ny vatany noho ny dona mafy nahazo azy.
Renim-pianakaviana iray tsy nahatsiaro tena tetsy Petite Vitesse, omaly hariva. Nitambotsitra tampoka teny am-pandehanana an-tongotra izy ka nifamonjen’ny mpandeha. Nentina nihazony hopitaly avy hatrany ahafahana mijery ny manjo azy.
Namoahana fikarohana ny lehilahy iray teratany karana, antsoina hoe: Gandhy Gagninder Kumar. Karohina noho ny fivadiham-pitokisana izy io, raha ny tatitra avy amin’ny zandariamaria. Nahitana azy farany teny Tsaralalàna Tana I. Iangaviana izay mahita azy mba hiantso ny zandary avy ao amin’ny tombim-paritra Betongolo.
Olona iray maty, telo hafa naratra, vokatry ny lozam-pifamoivoizana niseho tany amin’ny lalam-pirenena faha-7, faritra Ihorombe, afakomaly. Niseho teo Mahasoa, kaominina Zazafotsy. Nivarina tany ambany tetezana ary nivadika ambony ambany ilay fiarabe.




