Fampianarana : Miofana ireo mpanombana bokin’ny mpianatra

Iankinan’ny fampianarana any an-dakilasy ary miantoka ny fivelaran’ny ankizy ny boky ampiasaina any an-tsekoly. Saro-pady ka mila lanjalan­jaina tsara ireo karazana boky ampiasaina na vakian’ny an­kizy sy hanomezam-pahala­lana azy ireo, araka izany.
Toraka izany ny boky fampianarana ampiasain’ny mpam­pianatra hampitana fahala­lana.
Noho izany indrindra no anaovana ny fanofanana ireo mpanombana bokin’ny mpianatra. Iarahana amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena sy ny Conférence des ministres de l’éducation des états et gouvernements de la francophonie » (Confemen) izany, eny Anosy, mandritra ity herinandro ity.
Tafiditra ao anatin’ny fia­raha-miasa eo amin’ny Con­fe­men sy ny Unesco ny atrikasa. Ao anatin’ny tetikasa « Res­sources éducatives » izay tohanan’ny AFD.
Tanjona ny hanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo mpanombana bokin’ny mpianatra eto Madagasikara amin’ny alalan’ny fikirakirana ny fanaovana tombana izay novolavolain’ireo manam-pahaizana manokana avy amin’ny Con­femen sy ny ekipa avy amin’ ireo firenena miisa 13 mandray anjara.
Tafiditra ao anatin’ny fandraisana anjara amin’ny fana­tsarana sy fampanarahana fenitra ireo boky efa misy na ho­vokarina eto amintsika izany. Andrasana aorian’ny fiofanana ny fananganana ny drafitrasam-pirenena sy ny fanaraha-maso ny fampiha­rana eny ifotony ny fanofa­nana noraisina.

Tatiana A

Partager sur: