INDRAY MIJERY

Nofanina momba ny fanamboarana kiraro ireo tanora 56 ao Mahajanga. Notolorana mari-piofanana izy ireo ho mariky ny fahaiza-manao sy ny ezaka vitany ary hahafahany misehatra avy hatrany amin’ny asa ho anto-pivelomany. Tanjona ny hanamafisana ny fahaiza-manao eo amin’ny sehatry ny asa tanana, ka hanokatra varavarana vaovao ho an’ireo mpiofana amin’ny asa sy ny fandraharahana.

Mbola mitety tanàna ny fitsaboana mitety vohitra “Sarobidy ny Aiko”. Betsaka ireo toerana nandehanany, nanaovana asa fitsaboana maimaim­poana. Afapo ireo nisitraka izany ary nahavatra niakatra an-tanàna ireo any ambanivohitra namonjy ity hetsika ity.

Mandray mpampianatra ho mpiasam-pan­jakana amin’ny taranja teny vahiny, Allemand sy Espagnol, ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena. 12 ireo horaisina hampianatra amin’ny Lycée eto Antananarivo, Antsirabe, Fianarantsoa ary Maha­janga. Toraka izany koa ny Lycée any Toamasina sy Toliara.

Partager sur: