Vokatra iray betsaka eto Madagasikara ny voatabia. Tafiditra indrindra ho anisan’ny sakafo mahasalama sy mampatanjaka ny fihinanana azy.
Manan-karena voly sy vokatra maro samihafa i Madagasikara. Anisan’izany ny voatabia izay mitondra hery sy fahasalamana ho an’ny vatan’olombelona. Legioma manan-karena otrikaina sy manome vokatsoa ara-pahasalamana maro ihany koa izy. Tsy vitan’ny hoe manome tsiro amin’ny sakafo isan-karazany fotsiny izy, fa misoroka aretina sy mampatanjaka ny vatana ihany koa. Mitondra tombontsoa maro ny fihinanana voatabia. Ahitana otrikaina maro samihafa, toy ny antioxidant, kalsioma, rano, fibra, vitamina sy ny maro hafa. Ahitana otrikaina 18 kcal ny vaotabia 100 grama. Manodidina ny 3.9 g ny gliosida, 0.9 g ny proteina, 0.2 g ny lipida, 1.2 g ny fibra ary 94% ny rano ao anatiny.
Manan-karena «lycopène» sy «antioxidant» ny voatabia masaka. Miaro amin’ny fahasimban’ny sela ao anatin’ny vatana izy noho izany. Mampihena ny tahan’ny homamiadan’ny nono sy ny prostaty ary miaro amin’ny aretim-po ihany koa. Ahitana potasioma sy vitamina C ny voatabia, izay manampy amin’ny ady amin’ ny tosidra, mahatsara ny
asan’ny fo ary manadio ra. Ahitana vitamina A, C, ary E ihany koa ao amin’ny voatabia, manatsara ny hoditra sy mampihena ny kentrona izany. Ankoatra izay, manan-karena vitamina C ihany koa, mampitombo ny hery fiarovan’ny vatana sy miaro amin’ ny gripa sy ny sery. Etsy ankilany, manatsara ny maso sy ny fahitana ihany koa izy io, noho ny fananany otrikaina vitamina A betsaka. Etsy andaniny, ahitana fibra ihany koa ao amin’ny voatabia, manampy sy misoroka amin’ ny fitohanana mety hahazo ny olona. Misoroka ny aretin-kibo ihany koa izany.
Manan-danja ara-toekarena
Sakafo fototra eo amin’ny fandrahoana izy io. Vokatra manan-danja eo amin’ny lafiny ara-toe-karena sy sakafo ihany koa. Maro ny faritra mamokatra voatabia eto amin’ ny Nosy. Anisan’izany ny any amin’ny faritra Vakinankaratra. Faritra mamokatra voatabia betsaka indrindra eto Madagasikara izy noho ny toetr’andro mangatsiaka. Azo atao ny manao karazam-pambolena isan-karazany, toy ny eny amin’ny zaridaina, fambolena an-tanàn-dehibe… Faritra faharoa mamokatra izany ny ao Itasy, toy ny ao Miarinarivo, Arivonimamo ary Soavinandriana. Ankoatra izay, mamokatra ihany koa ny eto Analamanga. Ahitana izany ny any Ambohidratrimo, Ankazobe, ary ny faritra manodidina ny Renivohitra. Ny toetr’andro, karazan-tany, fahampian-drano, ary ny fanatsarana ny fombam-pambolena no mahatsara ny vokatra.
Mety hahatonga aretina samihafa ihany koa
Mety hisy voka-dratsy ho an’ny vatan’olombelona ihany koa ny fihinana voatabia diso tafahoatra. Anisan’izany ny fikorontanan’ny fandevonan-kanina. Mety hiteraka «reflux acide» na aretin’ny vavony sy tsinay ny fihinana voatabia be loatra. Mety hahatonga aretim-pivalanana na fitohanana ho an’ny olona sasany ihany koa izany. Ankoatra izay, mitarika amin’ny aretin’ny taolana na ny vanin-taolana (goutte) ihany koa izany. Toy izany koa ny aretin-koditra na allergie. Mety hiseho amin’ny endrika mangidihidy na fivontosana, na fanaviana izany. Ilaina, araka izany, ny fihinana voatabia amin’ny antonony mba hisorohana ny aretina hafa.

Maro ny fomba fihinana azy
Maro karazana ny fomba fihinana ny voatabia. Azo atao salady, na andrahoana atao amin’ny laoka ary azo atao ranom-boankazo ihany koa. Tsara kokoa ny mihinana voatabia manta atao salady. Ampiarahana amin’ny tongolo gasy na tongolo mena sy menaka oliva ary voasary makirana na vinaingitra. Mbola voatahiry tsara ny vitamina C ao anatiny amin’izay. Raha misafidy ny hihinana voatabia masaka indray, mety afangaro amin’ny laoka, atao saosy na lasopy. Hohanina mafana ny tsara aminy satria manampy amin’ny famoahana anti-oxidant izany, manampy betsaka amin’ny ady amin’ny aretin’ny fo, miady amin’ny aretina homamiadana. Ankoatra izay, raha misafidy ny hamadika ny voatabia ho ranom-boankazo indray, manampy betsaka amin’ny fanadiovana taova toy ny fo sy ny voa ary ny aty ihany koa ity fomba iray ity. Tombontsoa entiny amin’izany ny fampitomboana ny hery fiarovana, miady amin’ny fahasemporana ihany koa. Tsara kokoa ny hisotroana izany maraina alohan’ny sakafo. Ankoatra izay, azo atao koa ny mihinana voatabia asiana menaka ary atono amin’ny afo. Mitahiry otrikaina maro io karazana fahandro iray io.
Nanatontosa : Mino




