Fandraisana antoko eny Iavoloha: mitondra vahaolana, mizara vina mazava

Nandray ny antoko politika teny Iavoloha, ny Kly Randrianirina Michaël, hatramin’ny omaly. Samy mitondra vahaolana sy mizara vina mazava izy ireo. Anisan’ny nipoitra Ratsirahonana Norbert sy ny antoko Avi, tarihin’ny Dr Andriamiharivolamena Zavamanitra.

Manao ranolava ny fandraisan’ny filohan’ny fanavaozana, ny Kly Randrianirina Michaël, ny an­toko sy ny hery politika lehibe eto amin’ny firenena. Nanom­boka tamin’ny alatsinainy izay, mitohy amin’izao faran’ny herinandro izao. Efa noraisiny ny avy amin’ny Malagasy Miara-miainga an’Andrianai­narivelo Hajo, ny Komity Miaro ny Tolona tarihin-dRakoto­mavo Lanto.
Anisan’ny antoko lehibe noraisiny koa ny Avi na ny Asa vita no ifampitsarana. Tonga nitarika izany ny filoha mpanorina, Ratsirahonana Norbert Lala sy ny filoha am-perinasa, ny Dr Andriamiharivolamena Zavamanitra. Nanamafy ny mbola tanjany, niara-nidinika tamin’ny filoha izy ireo. Nilaza ity farany fa : “ny antoko poli­tika velona dia tsy miandry fifidianana vao miteny. Manana adidy izy handinika ny zava-misy, hanolotra vahaolana ary hitondra fanantenana ho an’ny vahoaka. Izay no maha an­toko politika azy”.
Nampahafantatra koa ny antoko fa manana vina sy fandaharanasa mazava ho an’ny fampandrosoana an’i Mada­ga­sikara. Miainga amin’ny fitantanana tsara, sy ny fanjakana tan-dalàna, ny fanohanana ny famokarana sy ny sehatra tsy miankina, ny fampiroboroboana ny fanabea­zana, ny asa ary ny fahafahan’ ny tanora mandray anjara izany.

Manohana

Makasika ny toe-draharaha politika manohana ny fizotry ny fanomanana ny fifidianana ny antoko. « Mila homanina am-pilaminana sy am-pahamarinana izany mba ahafahan’ny olom-pirenena maneho mala­laka ny heviny sy ny fanamafisana ny fitokisan’ny Andrim­panjakana. Ny fifidianana madio sy mangarahara dia tsy miankina amin’ny andron’ny latsa-bato ihany, fa miainga amin’ny fanomanana azy, ny fifampiresahana eo amin’ny mpisehatra rehetra, ny fanajana ny lalàna ary ny fanomezana fitovian-jo ho an’ny rehetra », hoy hatrany ity depiote voafidy tao Fandriana ity.
Mandray anjara mavitrika amin’ny fifampidinihana nasionaly izy ireo. Manao antso avo amin’ny hametrahana ny tombontsoa ambonin’ny firenena ho lohalaharana. Manentana ny hery politika rehetra mba ampitsahatra ny fifanolanana, hiroso amin’ny fifanakalozan-kevitra, sy ny fifanajana ary ny fanolorana vahaolana.
Tsiahivina fa manana solombavambahoaka telo sy ben’ny Tanàna 45 ary mpanolotsain’ny tanàna miisa 1000 ny Avi. « Ny antoko dia hijoro hatrany ho mpanolotra hevitra sy vahaolana, hifanome ta­nana amin’ireo hery rehetra maniry ny hahita an’i Mada­gasikara handroso ao anatin’ ny filaminana sy ny demokrasia ary ny firaisam-pirenena », hoy ny filohany namarana ny fifampizarana.

Randria

Partager sur: