Nivadika teny amin’ny lalam-pirenena voalohany ny taksiborosy iray, teo anelanelan’i Miarinarivo sy Amboalefoka, omaly tamin’ny 11 ora sy sasany. Nentina namonjy hopitaly ao Miarinarivo avy hatrany ireo naratra. Tsy nisy ny namoy ny ainy, araka ny angom-baovao. Kodiarana vaky no nitarika ny loza.
Sigara hosoka miisa 57 000 fonosona sarona tao Mahajanga, ny alatsinainy 22 septambra teo. Nolazaina fa fitaovam-pamafana avokoa ireo entana kinanjo tratry ny fisavana. Nogiazana ny entana hosoka.
Hanao hetsika telo lehibe toy ny fitondrana am-bavaka iraisam-pinoana, ny fanomezan-dra sy ny hazakazaka ara-pirahalahiana ny polisim-pirenena ho fankalazana ny faha-64 taonany. Mitarika ny fankalazana ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka sy ny polisim-pirenena.
Zaza roa taona namoy ny ainy niharan’ny lozam-pifamoivoizana tao Sotema Mahajanga, afakomaly. Notrotroin-dreniny io zaza io, kinanjo nodomin’ny fiara tampoka izy mianaka. Nipitika ny zaza ka voahitsaka.




