Niakatra fampanoavana omaly ny ray aman-drenin’ilay zazamenavava nisy nanary teny amin’ny fokontany Antsakajohy, kaominina ambanivohitra Bemanevika, Sambava, ny 14 septambra lasa teo. Tsiahivina fa olona handeha maraina no naheno feon-jaza mitomany ka nijery izany. Zaza vao teraka sy mbola niaraka tamin’ny tadim-poitra io nisy nanary io. Natao ny fikarohana ireo ray aman-dreniny ka nahafahana nisambotra azy ireo.
Tovovavy iray hita tsy nahatsiaro tena tetsy Andrononobe, omaly atoandro, tamin’ny 12 ora. Hitan’ny olona nitomany teny an-dalana izy ary torana vokatr’izay. Nobatain’ny Polisim-pirenena avy amin’ny ny Commissariat central Sabotsy Namehana. Nentina teny amin’ny hopitaly FJKM Ambohitrarahaba. Efa notadiavina ihany koa ny fianakaviany.
Rongony 36 gony, milanja 270 kilao, tratran’ny Polisim-pirenena tany Betroka, tamin’ity volana septambra ity. Tratra tany Ambalateva, kaominina ambanivohitra Ivahona, ny 12 gony tamin’ireo, izay milanja 130 kilao. Tratra tany amin’ny kaominina ambanivohitra Naninora, ny 21 septambra lasa teo kosa ny 22 gony ambiny, milanja 140 kilao.




