Nanao fitsidihana pastoraly voalohany tao Ambatosoa ny eveka vaovao, Mgr Marek Ochlak. Nambarany tamin’ny hafatra ho an’ny kristianina sy ny vahoaka malagasy fa zava-dehibe ny fananana fianakaviana masina. « Ahafahana mamoaka olomasina sy olom-banona ho an’ny fiarahamonina izany », hoy izy. Nohamafisin’ny pretra tompom-paritany ao amin’ny Ekar St Joseph Maroantsetra kosa fa mitondra fitomboan’ny finoana sy fandrosoana ho an’ny faritra izao fitsidihan’ny eveka izao. Nankasitrahany koa ny fiaraha-mientan’ny mpitondra fanjakana sy ny solontenam-bahoaka.
Tsiahivina fa iray volana mahery taorian’ny nanokanana azy ho evekan’i Fenoarivo Atsinanana izao fitsidihana izao.
Synèse R.




