Nilaza mahitsy ny amin’ireo fanarenana sy soso-kevitra hitondra ainga vao ho an’ny fampianarana ambony ny Seces. Hipaka amin’ny mpianatra sy ny mampianatra ny fanatanterahana izany.
Nanatanteraka ny filankevi-pirenena ny Sendikan’ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra (Seces) tamin’ ity herinandro ity. Nifantoka tamin’ny tokony hitondrana ainga vao ho an’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa no nivoitra tamin’ izany.
Voalaza fa misy fahabangana be ny isan’ny mpampianatra raikitra eny amin’ny ambaratonga ambony. Vahaolana haingana ny famerenana ny “Remplacement numérique”. Mila raisina kosa ny vahaolana maharitra dia ny fampiakarana ny fandraisana mpampianatra raikitra ho an’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony. Tokony ho ao anatin’ny fangaraharana tanteraka ny fanatanterahana izany.
Nanao tsindrim-peo amin’ ny tokony hisian’ny fanatsarana ny asan’ny sampandraharahan’ny fankatoavana sy ny fiantohana ny kalitaon’ny fampianarana ambony ihany koa ny Seces.
Ankoatra izany, mitaky ny fanapariahana any amin’ny faritra ny fandraisana an-tanana ny fitsaboana ireo mpampianatra mpikaroka izy ireo.
Tsy latsa-danja amin’ny fanarenana hitondra ainga vao ny fandoavana ara-potoana ny vatsim-pianaran’ny mpianatra, ny fikojakojana sy ny fanarenana ny toeram-ponenana izay miantoka ny vahaolana eny amin’ny anjerimanontolo ihany koa.
Fa anisan’ny vahaolana maharitra ho an’ny fampianarana ambony koa ny fanekena ny tolo-dalàna momba ny fizakan-tenan’ny Oniversite, ny toeram-pampianarana ambony sy ireo foibem-piofanana mifamatotra aminy.
Takin’ny Seces koa ny famerenana ny tanin’ny Oniversite miankina amin’ny fanjakana sy ny an’ireo foibem-pikarohana nasionaly izay bodon’olon-tsotra.
Tetsy andaniny, nankasitraka ny fanjakana amin’ny fanafainganana ny fandoavana ny ora fanampiny ho an’ny Oniversiten’Antananarivo ny Seces.
Tatiana A




