INDRAY MIJERY

Tonga ao Vatomandry, faritra Atsinanana, ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, izay mikendry ny hanatsara ny sehatry ny fanofanana arakasa. Nandray azy ny solombavam­bahoaka voafidy tao Antanambao Manampotsy sy ny lefitry ny lehiben’ny distrika, niaraka tamin’ireo manam-pahefana any an-toerana. Maneho ny finiavan’ny minisitera hanakaiky hatrany ny tanora sy ny mpiofana eny ifotony ary hanome lanja ny fiofanana arakasa ho hery mano­sika ny fampandrosoana ara-tsosialy sy ara-toekarena ny fitsidihana.

Anio no hanatanterahina ny fametrahana amin’ ny fomba ofisialy ny filohan’ny Oniversiten’Antananarivo sy ireo lehiben’ny Fakiolte ary ny talen’ny sekoly am­bony valo ao anatin’ny Oniversiten’Antananarivo. Ny tapany hariva, hisy fanentanana samihafa sy hetsika andraisana artista eo amin’ny Esplanade Ankatso hanasana ny mpianatra.

Betsaka ireo olona na fikambanana nikasa ny hanatanteraka hetsika no nanajanona izany noho ny zava-misy sy ny toe-draharaha teto an-dRenivohitra, omaly. Miandry ny fiverenan’ny filaminana sy ny fito­niana ny rehetra vao hiroso amin’ny fanohizana ny tetikasa.

Partager sur: