mpianatry ny CEG : Hifantoka amin’ny taranja siantifika

Nampahafantarina tao anatin’ny tranoheva mano­kana nandritra ny sehatra ho an’ny zatovovavy tany amin’ ny distrikan’i Vondrozo, ny he­rinandro lasa teo, ny Science- Technologie – Ingénierie et Mathématique (Stem). Ireo taranja rehetra ireo dia azo atao amin’ny « activité pédagogique » iray. « Tanjona ny fanasiana heviny ny taranja ianarana any an-dakilasy sy fanomezana sehatra ho an’ny vehivavy momba ireo taranja ireo satria any amin’ny fana­dinana bakalorea dia sokajy vitsy mpiadina indrindra ny siantifika fa matahotra ny taranja Matematika sy Fizika ny ankamaroan’ny mpianatra », hoy ny tomponandrai­kitra ao amin’ny fitaleavana misahana ny fampianarana ambaratonga faharoa sady mpandrindra lefitra ny fandaharanasa Globe eto Mada­gascar, Ravoavy Denis.
Misy lesona zaraina any am-pianarana fa sekoly vitsy no manana laboratoara ary tsy ampy fitaovana ampia­saina hampiharana izany. Atao anatin’ny tranohevan’ny Stem, haseho amin’ny alalan’ ny fitaovana tsotra fa azo ampiharina amin’ny fiainana andavanandro ny taranja siantifika. Ampahafantarin’ny tomponandraikitra ireo zatovo­vavy ny “densité”, “poussée d’Archimède”… Ianarana any an-dakilasy fa mampiasa rano, ranon-tsira sy atody. Mandray anjara mivantana amin’ny fampiharana ireo zatovovavy15 taona -17 taona ao amin’ny CEG Vondrozo. Naseho tao koa ny “volcan” amin’ny alalan’ny “réaction chimique”. Navoitra koa ny Matematika amin’ny alalan’ny kilalao amin’ny fampisana ny “logique” sy ny “raisonnement”. Niavaka koa ny fampiasana fitaovana faran’izay madinika ahafahana manao fandinihana siantifika. Eo koa ny fikirakirana ny “Application Globe Observer” izay fitondrana ny ankizy ho any amin’ny siansa efa manaraka fenitra iraisam-pirenena.

Vonjy

Partager sur: