Hitana ny sain’ny rehetra amin’ity anio ity, ny lalao miverina eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika “Ligue des champions”, taranja baolina kitra. Hifanandrina amin’izany ny Elgeco Plus sy ny Silver Strikers an’i Malawi. Vonona handresy hiakarana amin’ny dingana manaraka ny Malagasy.
Hotanterahina anio, ao amin’ny Kianja Bingu National Stadium, Lilongwe, ny lalao savaranonando miverina hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra. Hanafika ny Silver Strikers Malawi ny Elgeco Plus Madagasikara. Raha tsiahivina, nisaraka ady sahala 1 no ho 1 ny roa tonta, herinandro lasa izay, nandritra ny fihaonana mandroso natao tatsy Maurice. Ity izany no lalao tsontsorimamba isarahana eo amin’ny roa tonta.
Efa any an-toerana hatramin’ny alatsinainy ny mpilalaon’ny Elgeco Plus ary efa nizatra ny toe-tany sy ny toetr’andro any an-toerana. Salama tsara daholo, araka ny fampitam-baovao, ireo mpilalao rehetra. Ambony ny toe-tsaina, hoentina miatrika ity fihaonana ity. Manana tombony aloha ny Silver Strikers, noho izy ireo hilalao eo an-kianjany sy manoloana ireo mpomba azy, amin’ity. Na izany aza, any amin’izy ireo ny tsindry. Hilalao malalaka kosa ny Elgeco Plus ka afaka hamelatra tsara ny lalaony.
Nandritra ny fanazarantena, nohamafisina ny fiarovantena. Nezahina nohatsaraina ihany koa ny fanafainganana ny fanafihana miainga eo afovoan’ny kianja. Torak’izany koa ny filalaovana amin’ireo helatra havia sy havanana. Natao, araka izany, koa ny famonoam-baolina. Hanova paikady ihany koa ny Elgeco Plus, amin’ity fa tsy hampiasa izay efa natao tamin’ny lalao mandroso.
Teo amin’ny lalao ho an’ny fiadiana ny amboaran’ny Caf indray, niondrika teo anatrehan’ny Club Ferroviario de Maputo, tamin’ny isa 2 no ho 1, ny AS Fanalamanga. Lalao notanterahina omaly, tao amin’ny Kianja Campo da ABB. Tapitra hatreo izany ny dia ho an’ny AS Fanalamanga amin’ity fifaninanana ity. Tsiahivina fa nisaraka ady sahala 1 no ho 1 koa ny roa tonta, teo amin’ny fihaonana voalohany, natao tany Mozambique ihany.
Tompondaka




