Croix Rouge Malagasy : Vonjena avokoa ireo maratra eny an-kianja

Nirotsaka an-tsehatra teny an-kianja ireo mpilatsaka an-tsitrapo avy amin’ny Croix Rouge Malagasy. Vonjena avokoa ny ain’ireo maratra na iza na iza. Nentina haingana teny amin’ny toby vonjy maika ary nahazo fitsaboana voalohany ireo naratra. Nisy amin’izy ireo koa no tsy maintsy naterina hopitaly. Naneho fahatoniana sy ny maha matihanina ary ny fitandroana ny maha olombelona ireo mpilatsaka an-tsitrapo. Nanana ny fahafoizan-tena am-pitoniana sy am-pahombiazana, na aiza na aiza ilàna izany no mamonjy aina izy ireo. Tsy teto Antananarivo ihany fa tany amin’ny faritra ihany koa. Teo amin’ny Hopitaly Be CHU Toliara no nandraisan’izy ireo izay mila vonjy aina. Manampy akaiky ny ekipan’ny fahasalamana ny mpilatsaka an-tsitrapo mba hikarakarana avy hatrany ireo naratra sy mila vonjy tao Toliara.

Tatiana A

Partager sur: