Fampianarana: Natsahatra ny fampianarana tamin’ireo Cisco maromaro

Lasibatra ny fampianarana tamin’ny ankamaroan’ny renivohi-paritany manerana ny Nosy, omaly. Ho an’ny teto An­ta­nanarivo, efa nanao fanambarana ny OMC fa mikatona avokoa ny sekoly ho fiarovana ny ain’ny mpianatra. ­ ny Cisco Antananarivo Renivohitra, Avaradrano, Atsi­­mondrano, Ambohidra­trimo ary Antsi­rabe. Nisy ihany anefa ireo ray aman-dreny tsy nahafantatra izany ka nandefa ny zanany nianatra ihany na tao anatin’ny tebiteby aza. Tonga tany am-pianarana mihitsy vao nahafantatra fa tsy mianatra ka niverina nody ary sahirana vao nahita taxi-be nodiana. Teo koa ny korontana teny an-dalana ataon’ireo mpandromba sy fifanenjehana nataon’ny mpitandro filaminana ka niteraka tahotra sy horohoro, ny ankizy indrindra indrindra. Tany amin’ny faritra kosa, tamim-pahatairana no nakan’ny ray aman-dreniny ny ankizy tany an-tsekoly rehefa raikitra ny fihetsiketsehana. Jembin’ny baomba mandatsa-dranomaso teny an-dalana izy ireo ary tora-kovitra noho ny zava-doza niainany teny an-dalana. Ny minisitry ny Fanabeaza-pirenena kosa nanadio tetsy amin’ny Tana Water Front, oma­ly. Miandry am-pitaintainana ny mpianatra ny amin’ny fiverenana an-dakilasy. Mila manaraka ny fivoaran’ny toe-draharaha.

Nanatontosa : Vonjy sy Tatiana A

Partager sur: