INDRAY MIJERY

Nanao asa fanadiovana ny tanàna ny mpiasan’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena sy ny minisiteran’ny Fampianarana ambony taorian’ny savorovoro sy hetsika niseho ny alakamisy tontolo andro teto Anta­nanarivo. Nitarika ny asa ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Sahondrarimalala Marie Michèle, nifarimbona tamin’ny mpiasa.

Miisa sivy mirahavavy mianaka no nahazo fitsaboana sy fandidiana tao amin’ny CHRR Farafangana. Sitrana soa aman-tsara ary afaka amin’ny aretina mamany lava izy ireo. Rehefa nody, sady salama no nahazo fampitaovana avy amin’ny Projet Fistula ireo avy niatrika izany. Ny ekipa CHRR Farafangana, indrindra ny mpandidy sy ny mpiara-miasa aminy, no nisahana ny asa izay miavaka amin’ny fahaiza-manao sy ny fanoloran-tena ho amin’ny fahasalaman’ny reny.

Niara-niasa tamin’ny minisiteran’ny Fahasa­lamam-bahoaka ny Sampandraharahan’ny Firenena mikambana momba ny fahasalamana (OMS) ao amin’ny distrikan’i Betroka ho fanamafisana ny fikarakarana ny fahasalamam-bahoaka. Nisy ny fanentanana ho an’ny ray aman-dreny 300 momba ny aretina kitrotro. Nohamafisina koa ny fahaiza-manaon’ny mpiasan’ny fahasalamana rehetra.

Partager sur: