Kick-Boxing : Nofoanana ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara

« Noho ny toe-draharaha mafana misy eto amin’ny firenena, voatery nofoanana indray ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja kick-boxing, nokasaina hatao anio sy rahampitso, eny amin’ny Kianja mitafon’i Mahamasina ». Io no nambaran’ny Tale teknika nasionaly, i Anigael Gastros, omaly. Nilaza izy fa tena manahirana ihany ny zava-mitranga ankehitriny. Efa tonga eto Antananarivo mantsy ireo mpifaninana avy any amin’ny ligim-paritra rehetra. Tsiahivina fa manodidina ny 170 no isan’ny mpikatroka manerana ny Nosy nikasa handray anjara tamin’ity fifaninanana nasionaly, sokajy Cadets, Junior ary Senior, ity. Tsara ihany koa ny manamarika fa efa nahitana fihemorana fanindroany izao, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja kick-boxing. Mbola tsy fantatra kosa ny daty hanatanterahana izany, araka ny fanazavan’ny avy eo anivon’ny Federasionina malagasin’ny kick-boxing hatrany.

Mi.Raz

Partager sur: