Araka ny vaovao hita omaly tao anaty tambajotran-tserasera, ahemotra amin’ny fotoana manaraka ny fifampizarana izay tokony hotontosaina anio, any Mahajanga, miaraka amin’i Corentin Martins, mpanazatra Barea. Noho ny toe-draharaha misy eto amin’ny firenena ny anton’izany.
Tsara ny mampahatsiahy fa efa nisy ny fitetezam-paritra nataon’ity frantsay teknisianina mitondra ny ekipa nasionaly malagasy ity. Anisan’izany ny teto an-drenivohitra sy ny tany Antsirabe. Andrasana indray, araka izany, ny fotoana mety hitohizan’ity fitetezam-paritra, ataon’i Corentin Martins, ity.
Mafy ny ady ho an’ny Barea
Ankoatra izay, mbola mafy ny ady ho an’ny ekipam-pirenena Barean’i Madagasikara. Manana lalao roa, farany, izy ireo amin’ny volana oktobra ho avy izao. Fifanintsanana izay tafiditra amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany 2026. Ny 8 oktobra ho avy izao, any Côte d’Ivoire, hifandona amin’i Comores ny Barea. Hatao any Mali, ny 12 oktobra, kosa ny fifanandrinan’izy ireo amin’i Mali.
Hiankina tanteraka amin’ireo lalao roa ireo, ny dian’ny Barea any amin’ny “Mondial 2026”.
Fitia Randria




