Hisy fiantraikany goavana amin’ny andavanandron’ny isan-tokantrano ny savorovoro niseho ny tontolo andron’ny alakamisy izay nitohy hatramin’ny alina iray manontolo. Nitsahatra ny ankamaroan’ny asa, omaly, ho fiarovana ny ain’ny mpiasa sy fiarovana ny fananan’ny orinasa.
Nangingina tsy toy ny mahazatra ny tanàna, omaly vao maraina, teto an-dRenivohitra. Vitsy ny mpandeha an-tongotra hamonjy asa, nahalana koa ny fiara fitaterana. Sahirana ireo tsy maintsy nanohy ny asa aman-draharaha satria mitohy ny fiainana sy ny fitadiavana. Nisy tamin’ireo mpampiasa no nanapa-kevitra ny hampitsahatra ny asa ho an’ny omaly tontolo andro, hitsinjovana ireo mpiasa sy ny fananan’ny orinasa amin’ny mpandroba.
Ireo voaroba fananana kosa manao tombana ny fahasimbana sy ny entana very hiatrehana ny tohin’ny fandraharahana raha mbola misy azo atao aorian’ny fanarenana samihafa.
Nanao fanambarana ihany koa ny mpitantana ny Oniversiten’Antananarivo fa miato avokoa ny asa rehetra ho an’ny oniversite sy ireo sekoly ambony eo ambany fiahiany ao anatin’ny fotoana tsy voafaritra. Hisy fampahafantarana ofisialy ny fiverenan’ny asa aman-draharaha eny an-toerana ho an’ny mpianatra sy ny mpampianatra ary ny mpandraharaha.
Ho an’ny lafiny fahasalamana, niveri-maina avokoa ireo mpiasa nikasa hamonjy ny toeram-pitsaboana manokana misahana ny mpiasa amin’ny orinasa tsy miankina. Nikatona ny dispensaire rehetra ankoatra ny toeram-pitsaboana mpiandry raharaha roa ka ny hamehana ihany no noraisina an-tanana. Ny fotoana napetraka mialoha ho an’ny mpitsabo “spécialiste” nahemotra avokoa mandra-piverenan’ny fitoniana tanteraka. “Mbola ankamantatra ny mety hiverenan’ny asam-pitsaboana amin’ny fiandohan’ny herinandro ambony”, hoy ny mpiambina nizara ny vaovao ho an’ireo tonga vao maraina hamonjy mpitsabo.
Natory tany am-piasana…
Ho fitsinjovana ny mpiasa teny amin’ny Call center Ankorondrano, tsy nalefa nody intsony ny mpiasa ny alakamisy alina satria nifanandrify tamin’ny ora firavana ny fanombohan’ny savorovoro manerana ny tanàna. Nijanona tao am-piasana avokoa ny rehetra ho fitsinjovana ny ainy sy ny fiarovana ny fitaovam-pitaterana tokony hanatitra ny mpiasa isan-tokantrano. Ny maraina vao naterina ny mpiasa rehetra rehefa tony ny tanàna. Naato koa ny asa ho an’ny tontolo andro, omaly, satria nisavoritaka ny zava-misy sady tsy tony ny mpiasa eo am-panatanterahana ny andraikiny.
Lasa mitaintaina be ny olon-drehetra manoloana ny zava-misy ho an’ny tohin’ny fiainana amin’ny ankapobeny. Ny asa sy ny fihariana ary ny fianarana samy voakasika avokoa. Betsaka ireo tsy maintsy hanatona mpitsabo manokana momba ny fahasalaman’ny saina satria hamela takaitra mavesatra ny fahaketrahana ara-tsaina sy ny tebiteby ny vokatry ny korontana sy ny famoizana fananana sy aina.




