SOMBIM-BAOVAO

Tsy raikitra indray ilay seminera iarahana amin’ilay Frantsay mpanazatra, i Anthony Masblanc, eo amin’ny taranja Jiu-jitsu brezilianina. Tsiahivina fa efa ny 25 septambra ny daty voatondro. Nahemotra ho omaly izany ary izao mbola tsy tanteraka izao no ho ny toe-javamisy eto amin’ny firenena.

Hotanterahina ny 4 sy 5 oktobra izao ny fifaninanana eo amin’ny taranja “Voile”, karakarain’ny federasionina malagasin’ity taranja ity, izay hatao any Diego Suarez. 10 tapitrisa Ariary no loka goavana miandry izay ho mpandresy amin’ity fifaninanana mitondra ny anarana “Milay Contest” ity.

Nampahatsiahy ny fitsipika mifehy ny fifidianana ny eo anivon’ny Federasionina malagasin’ny basikety, izay hanatanteraka fifidianana amin’ny taona ho avy. Tsy maintsy klioba eo anivon’ny seksionina, eo anivon’ny ligy ary ara-dalàna no mifidy, raha ny fampitam-baovao navoakan’izy ireo.

Tsy hotanterahina ny fivoriambe arahina fifidianana ho an’ny klioban’ny ASSM Basket-ball nokasaina hatao anio, raha ny fampitam-baovao avy amin’izy ireo tao amin’ny pejy facebook, omaly. Hahemotra amin’ny fotoana tsy mbola fantatra izany ary miankina amin’ny fivoaran’ny toe-draharaha eto amin’ny firenena ny hanatanterahana izany na tsia.

Partager sur: