Nanambara ny avy amin’ny Emmonat fa voararan’ny lalàna ny fanaparitahana vaovao tsy marina amin’ny tambajotran-tserasera. Misy ireo mitarika hanafika ireo toerana saro-pady sy ireo izay mitahiry ny fiandrianam-pirenena. Misy endrika fanakorontanana sy fihantsiana mihitsy aza izany. “Tsy maintsy misy ny fepetra manokana amin’ireo minia manohintohina ireny toerana saro-pady ireny”, hoy izy ireo nanamafy.
Manameloka ny fandratrana, fisamborana, ary fandrahonana ny mpianatra mitaky am-pilaminana ny zo fototra hisitraka jiro sy rano, ireo mpianatr’i Vontovorona. Manameloka ny fandrobana, ny fandravana fananana ataon’ireo mpanararaotra izay miseho amin’ny endrika rehetra ihany ko aizy ireo. Miantso ny mpianatra hiray hina sy hijoro eny Ambohitsaina, ny alatsinainy izao, amin’ny 9 ora maraina izy ireo. Tsy ekena ary melohin’izy ireo ny fandatsahana aina ireo mpianatra namany.
Raim-pianakaviana iray 22 taona, namoy ny ainy voatifitra tetsy Anosibe, afakomaly hariva. Nivoaka ny trano mba hijery ny zava-misy sy fandrobana niseho tetsy amin’ny BNI Madagascar sy ny Telma Shop Anosibe izy rehefa avy nivarotra. Nahitana tifitra teo amin’ny lohany, ny lamosiny, ny feny, ary diam-bala enina no teny amin’ny vatany. Nanambara ny havan’ny maty fa tsy nisy olon-kafa voatifitra tamin’io fotoana io afa-tsy ny havan’izy ireo ihany. Hoentina hihazo an’Antsirabe, Ambohibary Sambaina, ny nofo mangatsiakany.
Renim-pianakaviana iray hafa, 27 taona, maty voatifitra tetsy amin’ny Complexe Ampefiloha, afakomaly hariva tamin’ny 5 ora sy sasany hariva ihany koa. Avy nivarotra ary nihazo ny fodiana izy ireo no sendra ny fitokonana teny an-toerana. Nisy nanao tifitra tampoka ary nahavoa ity ramatoa ity. Nentina nihazo ny hopitaly izy ary nozahana fa nahitana bala ao amin’ny lohany. Izay no nitarika ny fahafatesany.




