Nisafidy ny tsy hampitsahatra ny lalao manasa-dalana, omaly, ny Federasionina malagasin’ny volley-ball, na teo aza ny korontana nisy teto an-dRenivohitra. Araka izany, tontosa ny lalao manasa-dalana teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Teo amin’ny sokajy vehivavy, nilaza mialoha ny tsy handray anjara ny ekipan’ny AMVB noho ny toe-javamisy, ka tafakatra avy hatrany, amin’ny famaranana, ny ekipa mpifanandrina aminy, ny Squad izany. Tetsy ankilany, nizotra araka ny tokony ho izy kosa ny lalao teo amin’ny GNVB sy ny Asi, ka nivoaka ho mpandresy ny ekipan’ny Zandary, tamin’ny seta 3 no ho 0 (25-20/25-20/25-21). Araka izany, ny ekipan’ny GNVB sy ny Squad no hiatrika ny famaranana, anio, ho an’ny sokajy vehivavy. Hatramin’izao, mbola tsy nilaza mahakasika ny hanatanterahana na tsia ny famaranana, anio, ny eo anivon’ny federasionina. Anio no hanaovana izay famaranana izay, eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, raha tsy misy ny fiovana amin’ny ora farany.
Mi.Raz




