Raha tiana ny handroso, tsy matahotra fanakianana. Tadidio fa ny fandokafana lava, mahalavo ary mahavoa. Mahavariana nefa fa betsaka ny mpitantana federasionina na tompona ekipa tsy mahazaka izay filazana ny tsy mety ataon’izy reo izay. Raisiny ho fahavalo ny mpanao gazety, manambara ny tsy mandeha eo amin’izy ireo. Tsy izy rehetra anefa fa ny sasantsasany ihany. Azo isaina amin’ny rantsan-tanana izy ireo ary hita amin’ny vokatra azon’ny taranja entiny fa tsy mandroso. Zara fa mahavita dingana iray dia miraikitra eo. Toy ny kely irak’Andriana tompoko ny mpampahalala vaovao ka sady tsy fitapitaka no tsy tia laingalainga.
Ny tena namana, tsy mijery arina an-tava ary ny manome fahavelomana ny manoro amin’ny lala-mahitsy. Koa ny handrina hono tsy maniry volo, itoeran’ny henatra. Koa henatra ho an’izay tsy mahazaka fanakianana izany. Samy manana ny anjara fahalalany ny isam-batan’olona fa ny fatrany sy ny karazany no samihafa. Izahay mahay sobika, mahay fatam-bary koa toa ny kely irak’Andriana ny mpanao gazety tompoko. Sady tsy tia laingalainga no tsy tia fitapitaka.
Tsy misy mahavita tena amin’ny fampandrosoana ny fanatanjahantena eto fa mifampiakina avokoa. Raha ny tanana havanana, tsy mahatana sahafa. Raha ny tanana havia, tsy mahatana kifafa. Raha ny iray amin’ireo tsy mahavadika bainga. Ny volan’imaso rahateo tsy mba kilema. Koa mahaiza maka lesona fa tsy misy iva mahatototra ny tany ary tsy misy avo mahaloaky ny lanitra. Ny vola sy fahefana tsy maharitra sady tsy mitoetra fa toa ny ranon’i Betsiboka, tondraka mamantonalina fa ritra maneno akoho. Kely irak’Andriana tompoko, sady tsy tia laingalainga no tsy tia fitapitaka.
Tompondaka




