INDRAY MIJERY

Nanao fanadiovana faobe ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, omaly, manerana ny boriborintany enina. Nisy ny antso natao mialoha ny hetsika ka tonga maro ny olona nanatanteraka izany. Tanàna madio, maitso ary malina no tanjona.

Nampahafantatra ny minisiteran’ny Fam­pianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa fa tsy misy mpianatra na iray aza ireo voasambotra teny Tsiadana, ny faran’ny herinandro teo. Fantatra izany nandritra ny fifampiresahana tamin’ny mpitandro filaminana. Mila mailo amin’ny fiparitahan’ny vaovao diso ny rehetra.

Nanaovana fanentanana tany am-piangonana mihitsy, omaly, nandritra ny fanompoam-pivavahana ny fiantsoana ny fiaraha-mientana amin’ny fiambenana ny tempoly. Naneho ny fahavononany ny kristianina amin’ny andrimasom-pokonolona ary mifarimbona, miandahy miam-bavy, amin’ny fifanohanana.

Partager sur: