«Ligue des Champions CAF »: Nihintsana ny ekipan’ ny Elgeco Plus

Tapitra hatreo! Nifarana indray izany ny lalan’ny Elgeco Plus, tamin’ity fifanintsanana afrikanina « Ligue des Champions Caf » ity. Tsy resy ity klioba ity fa nihintsana, satria nanao ady sahala tsy nisy nitoko (0 no ho 0) tamin-dry zareo avy atsy Malawi, Silver Strickers, ny asabotsy lasa teo, tany Malawi. Tsy nahatafidirana baolina ny tao amin-dry zareo malaoita, ka izay nahatafakatra an-dry zareo.
Ampahatsiahivina ihany fa nahatafidirina baolina iray ny Malagasy, nandritra ny fifanandrinana voalohany, izay noraisin’ny Elgeco Plus, tany amin’ny Côte d’Or, Maurice. Nisaraka ady sahala 1 no ho 1, ny roa tonta tamin’io lalao voalohany io. Tsy manana solontena amin’ny sehatra afrikanina intsony izany ny Malagasy, taorian’ity fihintsanan’ny Elgeco Plus ity. Ampaha­fantarina fa nihintsana ihany koa ny AS Fanalamanga, nandritra ny fihaonana savaranonandon’ny Amboaran’ny Caf, rehefa lavon’ny Club Ferroviario, Mozambika, tamin’ny isa 2 no ho 1, teo amin’ny lalao miverina, raha toa ka 1 no ho 1, ny fifandonana mandroso.

Fitia Randria

Partager sur: