24 mianadahy ireo mpiasan’ny fahasalamana niharam-boina vokatry ny fahamaizan’ny tanàna midadasika ao Mananjary. Natolotra azy ireo tao amin’ny fitaleavam-paritra ny fahasalamam-bahoaka Vatovavy ny fanampiana voaangona ho azy ireo, ny faran’ny herinandro teo.
Nanao ny hetsika voin-kava mahatratra ho azy ireo ny namany rehetra manerana ny Nosy. Samy nanome ny voatsirambin’ny tanana ho fanehoana firahalahiana anatin’ny sarotra ny mpiasan’ny fahasalamana.
“Miray hina ny mpiasan’ny fahasalamana na anatin’ny mora na anatin’ny fahavoazana. Efa voaporofo tamin’ny fiaraha-mientana nandritra ny hetsiky ny SPSM ny firaisankina ary mitohy hatrany izany”, hoy ny mpiasan’ny fahasalamana.
Ny hiarenan’ny fiainana haingana ho an’ireo namany traboina any Mnanjary no tanjona ka hanaovana ny fanohanana, hoy hatrany izy ireo. Nankasitraka ny fiombonam-po kosa ireo traboina any Mananjary.
Tatiana A




