Mesupres : Vonona handray ny mpianatra ny filoham-pirenena

Ao anatin’ny fifampidinihana no ahitana vahaolana. Izany indrindra no hiantsoana ny mpianatry ny Oniversite hiara-hitady vahaolana amin’ny filoham-pirenena mahakasika ny fampandrosoana ny fampianarana ambony sy i Madagasikara.

Misokatra amin’ny fifampidinihana amin’ny fa­mahana ny olan’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa ny filoham-pirenena, araka ny nambaran’ny minisitra Chaminah Loulla.
Miantso ny mpianatra amin’ny fifampidinihana iarahana mikaro-bahaolana ny minisitra manoloana ny zava-tsarotra iainan’ny fampianarana ambony sy ny firenena. Tsy ahitana vahaolana ny fanakorontanana sy ny fanapotehana ka miantso ny fitonian’ny mpianatra.
Ankoatra ny fitakiana iaraha-manana amin’ny olom-pirenena rehetra ny amin’ny ny zo fototra dia ny fisitrahana ny rano fisotro madio sy ny herinaratra izay andoavam-bola dia manana ny fitakiany manokana ihany koa ireo mpianatry ny Anjerimanon­tolo.
Ho an’i Toliara, tsy mbola voarain’ny mpianatra ny vatsim-pianarana 3 volana ka mitaky izany izy ireo. Ankoatra izay ny tokony handraisana avy hatrany ireo mpianatra nahavita fianarana ao amin’ny ENS Toliara sy manerana ny Nosy satria betsaka ireo tsy mbola nahazo fanendrena akory.
Nanamafy ireo mpianatra fa tsy tomponandraikitra tamin’ny fanakorontanana sy fandrobana izy ireo fa nanao fitakiana tanatin’ny filaminana.
Mitovy ny fangatahan’ny mpianatra, saika manerana ny Nosy, toy ny famoahana ny vatsim-pianarana ara-potoana, fizotran’ny fampianarana sy ny tetiandro araka ny tokony ho izy, ny fandrindrana tsy mitanila ny trano fonenan’ny mpianatra….
Anisan’ny nampitroatra ny mpianatra amin’ny oniversite manarana ny Nosy ihany koa ny nahafatesana mpianatra iray tany Antsiranana ka nahatonga ny firaisankina sy fiaraha-mientana.
Manoloana ireo, vonona ny handray ny mpianatra ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa amin’ny vahaolana iaraha-midinika.

Tatiana A

Partager sur: