Namoaka hafatra manokana ho an’ny tanora malagasy manerana ny Nosy, amin’izao zava-misy eto amin’ny firenena izao, ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS), i Marson Moustapha Abdulah. Miray fo sy maneho fiaraha-miory amin’ireo fianakaviana namoy havana izy ary maniry fahasitranana haingana ho an’ireo naratra. Nampahery ihany koa ny orinasa very fananana sy asa, ary indrindra ireo tanora tratran’ny tsy fananana asa vokatry ny fandrobana ireny.
Mahakasika ny olana mahazo ny firenena, toy ny tsy fahampian-drano sy herinaratra, nilaza ny minisitra fa vonona ny tanora hifanome tanana amin’ny fitondram-panjakana mba hitadiavana vahaolana maharitra. Nampahatsiahiviny fa ny tanora no hery sy hoavin’ny firenena, ary tsy misy olana tsy voavaha raha misy fifampiresahana sy fiaraha-misalahy. Nohamafisiny ihany koa fa efa misy ezaka haingana amin’ny fampandehanana ireo fotodrafitrasa sy ny tetikasa natokana ho an’ny vahoaka.
Ho avy tsy ho ela koa ny fihaonana manokana amin’ny tanora mba hifampidinihana mivantana amin’ny vahaolana azo tanterahina. Nanaovany antso avo manokana ny tanora mba hahay hitondra tena, tsy ho mora ampiasaina amin’ny fanakorontanana, fa hijoro ho hery mpanangana sy mpiaro ny tombontsoan’ny firenena. “Matoky ny fahendren’ny tanora malagasy aho, satria isika tanora dia sahy mijoro amin’ny maha hery mpanorina ny hoavy antsika,” hoy ny minisitra Marson Moustapha Abdulah.
F.R




