Fampianarana: Nojerena ny momba ny zaza

Notanterahina tetsy Antaninarenina ny atrikasa iraisam-pirenena miompana amin’ny fanabeazana sy fiahiana ny zaza.
Tanjona ny hampisehoana ny asa vita nandritra ny efa-taona, ny fifanakalozana traikefa, ny fandraisana soso-kevitra ny amin’ny fampiroboroboana ny fanabeazana sy ny fiaro­vana ny zaza madinika eo amin’ny politikam-panabeazana. Firenena roa no nanaovana ny tetikasa, dia i Madagasikara sy i Burkina Faso.
Miavaka ny fivelaran’ny sain’ny zaza mandalo préscolaire. Tanjon’ny fanjakana ny hametraka sekoly sy mpampianatra ary fotodrafitrasa mifandraika amin’izany manerana ny sekolim-panjakana rehetra.
Efa voafaritra rahateo ao anatin’ny lalànan’ny rafi-panabeazana eto Madagasikara izany. Iray taona mialoha ny hidirana ao amin’ny ambaratonga fototra dia tokony handalo préscolaire ny zaza.
Niatrika ny atrikasa ireo Cisco nanatanterahana ny asa toa an’Ambohidratrimo sy Antsirabe Il. Miara-miasa ny minisite­ran’ny Fanabeazam-pirenena sy ny mpiara-miombon’antoka misehatra amin’ny fampiroboroboana ny fanabeazana ny zaza madinika.

Tatiana A

Partager sur: