Fifanintsanana Mondial 2026 : Hivoaka rahampitso ny lisitry ny Barea

Eo am-piandrasana fatratra ny anaran’ireo mpilalao handrafitra ny Barean’i Madagasikara ny rehetra amin’izao fotoana izao. Fihaonana hiadian-toerana ho an’ny “Mondial 2026”. Raha tsy misy ny fiovana farany, hivoaka rahampitso izany, araka ny fanambaran’ny mpanazatra, i Corentin Martins.

Nivoaka tao amin’ny tambajotran-tseraseran’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF), omaly, fa hivoaka amin’ny fomba ofisialy rahampitso ny lisitr’ireo mpilalao handrafitra ny Barean’i Madagasikara. Raha tsy misy ny fiovana, hampahafantatra izany, eny Isoraka, amin’ny alalan’ny fivoriana ampitain-davitra, i Corentin Martins, mpanazatra ny ekipam-pirenena mala­gasy.
Andrasan’ny rehetra fatratra izay mety ho firafitry ny mpilalao amin’ity. Raha ny tsilian-tsofina, mety tsy hisy fiovana firy amin’ireo efa nan­tsoina nandritra ny fihaonana tamin’i Centrafrique. Tsy afaka miala amin’izy ireo ihany koa ny mpanazatra noho ireo mpilalao ireo ampy lalao sy ao anatin’ny tanjany tanteraka. Toy izany koa ireo avy eto an-toerana izay mety tsy ho betsaka fa eo ho eo amin’ny 5 na 6, araka ny voalazan’ny loharanom-baovao. Anisan’izany ireo tao amin’ny Barea Chan farany teo. Tsy hadino koa ireo avy atsy La Réunion sy ny any Egypte. Mety tsy hisy mpilalao vaovao hanatevina ny Barea, amin’ity.
Hiatrika ny lalao miverina, tafiditra amin’ny andro faha­sivy, ny Barea. Hikatroka amin’ny Coelacanthes an’i Como­res. Fihaonana hotanterahina ao amin’ny Kianja Stade Felix Houphouet-Boigny, Côte d’Ivoire, ny alarobia 8 oktobra ho avy izao. Ny andro fahafolo indray hifanandrinana amin’i Mali, ny alahady 12 ok­tobra, ao amin’ny Kianja Stade du 26 marsa 2025.
Tsiahivina fa mitana ny laharana faharoa vonjimaika ny Barea, amin’izao fotoana izao, ho an’ny vondrona “I”, manana isa 16. Mbola mita­rika koa i Ghana amin’ny isa 19. Fahatelo i Comores, isa 15 ary fahefatra i Mali, isa 12.

Tompondaka

Partager sur: