« Référentiel de formation » ho an’ny COSP : Nankatoavin’ny minisitera sy ny IECD

Natao sonia omaly, teny amin’ny foiben-toeran’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana ara­kasa Ampefiloha, ny fankatoavina ofisialy ny « Référentiel de formation pour le métier de conseiller en orientation scolaire et professionnelle ». Nia­rahan’ity minisitera ity sy ny Ins­titut européen de coopération et de développement (IECD) amin’ny tetikasa Se­same ny famolavolana azy. « Mifan­draika amin’ny fampanato­nana ny filana sy ny fahafahan’ ny tsirairay manaton­tosa ny asa ho an’ny fampananana asa ny tanora no tanjona », hoy ny minisitry ny Fampianarana teknika, Raso­loarisoa Marie Marcelline. Mila toroana hevitra ny tanora ahafahany ma­nome vokatra tsara. Mila trandrahina koa ny ta­lentan’izy ireo. Mitantana sy miara-miasa amin’ny tanora sy ny minisiteran’ny Fampia­narana teknika manampy amin’ny fametra­hana Référentiel de formation eto Ma­dagasikara ny IECD. 15 taona ny IECD izay misa­hana ny teti­kasa Sesame. Ma­nampy mba ha­hay hisafidy ny fianarana sy ny asa hataon’ireo tanora. Ilaina ny fanofanana ny tanora hisafidy ny asa aty am-piandohana. Efa ma­nana olona misahana ny Con­seil en insertion et orientation professionnel ny minisitera fa androany no napetraka ny fomba fanofanana azy ireo hanaraka ny fenitra. Enim-bolana ny famolavolana ny Référentiel niarahan’ny teknisianina avy ao amin’ny minisitera sy ny IECD. Andrasana ny didy fampiha­rana hanatsarana ny tolotra ho an’ny tanora malagasy.

Vonjy

Partager sur: