Nofoanana ary ahemotra amin’ny fotoana tsy mbola voafaritra ny fifaninanana “Madagascar international BJJ Open 2025”, taranja Jiu-jitsu Breziliana, nokasaina hatao ny 12 oktobra izao, eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Noho ny toe-draharaha misy eto Antananarivo sy ho fitsinjovana ireo atleta no anton’izao fanapahan-kevitra izao, araka ny fanazavan’ ny Federasiona miandraikitra izany.
Nofoanana ny fampivondronana ireo atleta, sokajy ankizy, nokasaina hatao ny 2 hatramin’ny 5 oktobra izao,eny amin’ny ANS Ampefiloha, eo amin’ny taranja karate, noho ny toe-draharaha mafana eto amin’ny firenena. Tsy misy kosa ny fiovana amin’ny fampivondronana ireo sokajy Cadet, Junior ary Senior izay manomana ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika sy fiadiana ny tompondaka maneran-tany, hatao amin’ity taona ity, raha ny fanazavan’ny federasionin’ny karate-do malagasy.
Hotanterahina any Egypta, ny 12 hatramin’ny 15 oktobra izao, ny fiofanana “Fiba Africa Régional Youth Camp 2025”, eo amin’ny taranja basikety, sokajy vehivavy. Tsy mbola fantatra kosa ny toerana hanatanterahina ity fiofanana ity, ho an’ny sokajy lehilahy, izay hatao ny 19 hatramin’ny 22 oktobra izao. Hanana solontena amin’izany i Madagasikara izay mbola tsy fantatra ihany ny anaran’ireo solontena malagasy amin’izany.




