Noho ny toe-draharaham-pirenena tsy mbola milamina amin’izao fotoana izao, ahemotra amin’ny fotoana tsy mbola voafaritra ny famaranana lehibe amin’ny tsipy kanetibe. Fihaonana, tafiditra amin’ny fankalazana ny faha-50 taon’ny tranom-piantohana Aro ary hiarahany amin’ny Fédération sport-boule malagasy (FSBM). .
Raha tsiahivina, tokony ho natao ny sabotsy 27 sy ny alahady 28 septambra lasa teo, teny amin’ny Centre sportif Ankadimbahoaka, izany famaranana izany.
Marihina fa efa fantatra avokoa ireo tompondaka isam-paritra amin’ity “Grande finale” ity. Anisan’izany ny avy any Vakinankaratra sy Atsinanana. Eo koa Matsiatra Ambony sy Atsimo Andrefana. Ry zareo Diana sy Boeny ary ny teto Analamanga. Lalao ho an’ olon-droa miaraka, lehilahy, izy ity, ka manana solontena roa avy ireo faritra ireo miampy ny ekipan’ny FSBM izay nasaina manokana.
Hotolorana 3 tapitrisa Ar sy amboara ary medaly volamena ny voalohany. 1 tapitrisa Ar sy amboara ary medaly volafotsy ny faharoa. 400 000 Ar sy medaly alimo ny fahatelo.
Mandra-piandry izany, hotanterahina any Douaisis France, ny 9 ka hatramin’ny 12 oktobra, ho avy izao. Anisan’ireo firenena hiatrika izany i Madagasikara. Efa any an-toerana ny ekipam-pirenena malagasy, manoman-tena fatratra. Hiaro ny voninahi-pirenena amin’ity, i Fenitra, i Fana, i Hasina ary i Marinah.
Tompondaka




