Na eo aza ny savorovoro, mijoro manatanteraka ny asa fitsaboana izay andraikiny ny infirmiera sy ny rasazy mpiasam-panjakana. Manaja ny tandrohasina sy ny voady izay nataony amin’ny asa fitsaboana izy ireo.
Nitondra fanazavana omaly ny sendika nasionalin’ny infirmiera sy ny mpampivelona miasa amin’ny sehatry ny fanjakana eto Madagasikara
Nambaran’izy ireo fa amin’ny maha mpiasam-panakana dia manaja hatrany ny sata maha mpiasam-panjakana izay mandidy ny fanajana ny adidy araka ny andininy faha 12 amin’ny lalàna mifehy ny mpiasam-panjakana izy ireo.
Takian’ny lalàna ny fanajana fiarovana ny fitsipika sy ny tandrohasin’ny fitsaboana araka ny andidniny faha 39 amin’ny lalàna fototra momba ny fahasalamam-bahoaka.
Maneho fahavononana sy fiombonana hanatanteraka hatrany ny asa sahanina amin’ny fikarakarana ny fahasalamam-bahoaka ny sendikan’ny infirmiera sy mpampivelona mpiasam-panjakana ireto araka ny fanambarana nataony.
Maro ny sendika mijoro ao anatin’ny mpiasan’ny fahasalamana fa samy miaro ny zo sy ny tombontsoa arakasan’ny mpiasa avokoa izy ireo. Tsy tokony ho afangaro amin’ny hetsika ara politika ny ara teknika fa hijoro amin’ny fahamatorana arakasa hatrany. Maneho fahavononana amin’ny fampidinihana hikatsahana vahaolana ho tombontsoa iombonana ihany koa ireo mpiasam-panjakana amin’ny sehatry ny fahasalamana ireto. .
Tetsy andaniny ny fitataleavan’ny sampan-draharaha misahana ny mpiasa DRH eo amin’ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka dia nanazava fa izy ireo indrindra no miandraikitra ny fampisondrotana amin’ny sokajin’asa ho an’ny mpiasan’ny fahasalamana rehetra.
Misy anefa ny lalàna mifehy ny fisondrotana amin’ny asa ary tsimaintsy arahina ny antanatohatra rehetra amin’ny fikarakarana momba izany.
Anisan’ny fitarainan’ny mpiasan’ny fahasalamana ny famindran-toerana tsy ara-drariny sy ny tsy fisian’ny fisondrotana arakasa io ka izao nitondran’ny DRH fanazavana izao.
Tatiana A




