Hotanterahina any Le Caire, Egypte, ny 28 hatramin’ny 30 novambra izao, ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany, taranja karate, ho an’ny sokajy Senior. Efa vonona ny solontena malagasy.
Araka ny efa fantatra, taorian’ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika natao tany Nizeria, tafakatra avy hatrany hiatrika ity fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany ity ny Malagasy mpikatroka, Razafindrakoto Mirantsoa. Noho ny fahaiza-manao nasehony ary naharesy lahatra ny mpitsara no antony nanomezana azy ny tapakila, raha ny nambaran’ny filohan’ny Federasionina, Ratefinanahary Émile. Eo amin’ny laharana faha-17 maneran-tany no misy an’i Mirantsoa, araka ny filaharana navoakan’ny “World Karate-do Federation”. Raha hiverenana ny zava-bitan’ity Malagasy mpikatroka ity, teo amin’ny laharana faha-5 no nisy azy rehefa resy tamin’ny fiadiana ny medaly alimo i Mirantsoa, teo amin’ny Kata vehivavy. Ankoatra an-dRazafindrakoto Mirantsoa, anisan’ny hiady ny tapakila amin’ity taranja ity, sokajy Senior, ihany koa Andrianavalona Tsiky Mialy, Kumite latsaky ny 55kg, sy Rabemanantsoa Fabio Lee, Kata lehilahy. Hiatrika izay fifaninanana hahazoana ny tapakila izay izy ireo, ny 17 hatramin’ny 19 oktobra izao, any Paris, raha ny fandaharam-potoana. Anatin’ny fanomanana tanteraka izy mianadahy amin’izao fotoana izao ary vonona ny hanome ny tsara sy haka ny tapakila hiatrehana ny fiadiana ny tompondaka. Tsiahivina, hiatrika ny fampivondronana ireo Malagasy atleta, sokajy Cadets, Junior ary Senior, ny fiandohan’ity volana oktobra ity, ho fanomanana ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika sy maneran-tany. Etsy ankilany, nofoanana kosa ny fampivondronana ho an’ny sokajy Jeunes noho ny toe-draharaha mafana eto Antananarivo sy ho fitsinjovana ireo ankizy, araka ny fanazavan’ny FKM.
Mi.Raz




