SOMBIM-BAOVAO

Hanainga anio 1 oktobra ny ekipa malagasy, mitondra ny anarana Nosy Be, hiatrika ny “World Tour Shenzhen Chine”, taranja basikety 3×3, hatao any an-toerana, ny 4 sy 5 oktobra izao. Rakotonirina Fiary Jonhson, 1m 98 (kapiteny), Rakotovao Marco, 1m 86, Rasolonandrianina Hasina, 1m96, Arimanana Kanto Damie, 1m96, no handrafitra ny ekipam-pirenena.

Tafiditra anatin’ny 20 voalohany maneran-tany ny Malagasy judokas, Rasoanaivo Razafy Laura, araka ny filaharana navoakan’ny Federasionina iraisam-pirenena, taranja Judo, ny fiandohan’ity herinandro ity. Taorian’ny nahazoany ny laharana faharoa, nandritra ny “Grand prix de Qingdao” natrehiny ny faran’ny herinandro teo no nahatafapetraka azy ho ao anatin’ny “Top 20” maneran-tany.

Hotanterahina ny 23 novambra izao, ao amin’ny Arena Toamasina, ny “Muay Thai Tournament 3″, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny mpikarakara eo anivon’ny klioban’ny Gisl (Grande île sports loisirs). Tsiahivina fa notontosaina ny 21 septambra lasa teo, teny amin’ny Kianja mitafo Mahamasina, ny”Muay Thai Tournament 2”, izay nahitana ady 25. Hiverina eto Antananarivo indray ny fifaninanana, ny volana desambra izao, aorian’ity any Toamasina ity, raha ny nambaran’ny Maître Razanajatovo Gildas.

Partager sur: