Tunisie # Sao Tome et Principe : Malagasy no hitsara ny lalao

Malagasy mpitsara baolina kitra no notendren’ny Kaonfe­derasionina afrikanin’ny baolina kitra (Caf), hitsara ny lalao hifanandrinan’i Tunisie sy Sao Tome et Principe. Fihaonana tafiditra amin’ny fifanintsanana hiadian-toerana ho an’ny “Mondial 2026”, faritra Afrika, vondrona H. Hotanterahina ny zoma 10 oktobra, ao amin’ny Stade Hammadi Agrebi, Radès Tunisie. Mpitsara afovoany Rakotojaona Andofetra Avombintana. Hisahana ny eny an-jorony kosa Andria­tianarivelo Dimbiniaina sy Ibenantenaina Brudo Ro­muald. Mpitsara fahefatra, Zafimahatoka Arnaud.
Teratany Benenoà, i Tou­pe Benoit, no mpitsara mpanampy ary ny kaomiseran-dalao, i Koyakobo Jean Marie, Centrafrique. Tsy olom-baovao amin’ny fitantanana lalao iraisam-pirenena toy izao ry zalahy fa efa manana traikefa amin’izany. Efa betsaka ireo fihaonana afrikanina natrehin’izy ireo.
Anisan’izany i Andofetra izay efa nitsara lalao tamin’ny Can. Toy izany koa i Dim­bi­niaina. Raha tsiahivina, mitarika amin’ity sokajy ity i Tunisie, manana isa 22, ary efa nahazo ny tapakila hiatrehana “Mon­dial 2026”. Farany kosa i Sao Tome et Principe, tsy mbola nahazo fandresena mi­hitsy ary efa naman’ny mangoron-damba. Heverin’ny re­hetra fa tsy haharesy an’i Tunisie ry zareo Sao Tome amin’ity noho ny herijikan’ny ekipa roa tonta.

Tompondaka

Partager sur: