“First Foods Africa”: Iadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo mahazo ny ankizy aty Afrika

Mbola olana amin’ny fahasalaman’ny ankizy ny tsy fisitrahana sakafo ara-pahasalamana hitondra fitomboana ara-batana sy ara-tsaina eo aminy. Nametraka hetsika iraisana i Afrika iadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo miaraka amin’ny Unicef sy ny Vondrona afrikanina.

Nampahafantarina tamin’ ity herinandro ity, tany Cotonou (Bénin), ny “First Foods Africa” iadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo mianjady amin’ny zaza sy hampiroboroboana ny rafitra ara-tsakafo maharitra aty Afrika. Namolavola izany ny Unicef sy ny Vondrona afrikanina miaraka amin’ny mpiray ombon’antoka iraisam-pire­nena maro. Hifototra amin’ny asa telo ny hetsika: fampirisihana ny famokarana anatiny, fanentanana ny vahoaka hanjifa ny sakafo ara-pahasa­lamana ary fanohanana ny fahazoan’ny kilonga sakafo ara-pahasalamana sy zakan’ ny fahefa-mividy. Namba­ran’ ny talen’ny fanjarian-tsakafo ao amin’ny Unicef, Joan Matji, fa maika ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo mahazo ny zaza aty Afrika. Efa nihena ny tahan’ny zaza tara fitomboana fa nitombo kosa ny isan’ny an­kizy voany. Niampy 11 tapitrisa ny isan’ny zaza tara fi­tom­boana raha mitaha ny tamin’ ny taona 2000, hoy ny fanazavany ihany. Amin’ny zaza 145 tapitrisa tratran’ny tsy fahampiana ara-tsakafo, 59 amin’ ireo tsy mihinana afa-tsy so­kajy roa monja na latsak’izay isan’andro.

Ho an’ny firenena benenoa, laharam-pahamehana ho azy ireo ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo sy ny firosoana amin’ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Ilaina ny fifanohanan’ny firenena afrikanina rehetra ao anatin’ny asa ho an’ny fanjarian-tsakafo. Ma­nana anjara andraikitra koa ny sehatra tsy miankina, ny mpikaroka ary ny mpiray ombon’ antoka teknika hahatrarana ny tanjona.
“Hampahaleo tena ny mpamokatra anatiny amin’ny firenena afrikanina ny hetsika First Foods Africa ary hametraka rafitra ara-tsakafo mafy orina”, hoy ny tale mpanatanteraka lefitra ao amin’ny Uni­cef, Omar Abdi, manoloana ny fametrahana ity hetsika ity.

Vonjy

Partager sur: