INDRAY MIJERY

Misy fiantraikany mivantana amin’ny fama­tsiana ny tsenam-pokontany ny savorovo miseho
amin’izao fotoana. Betsaka ny entana na sakafo tsy hita eny amin’ny toeram-pivarotana samihafa ka mampiakatra ny vidiny ireo mpivarotra manana izany. Fihetsika hita taratra ny fanararaotana rehefa ao ana­tin’ny tsy filaminana tahaka izao.

Mitaintaina ireo mpianatra vao afaka baka­lorea farany teo, miandry ny fifaninanana hidirana
amin’ny taona voalohany eny amin’ny sekoly ambony. Tsy mbola afaka manome ny diplaoma ilain’izy ireo ny fiadidiana ny Oniversite satria niato avokoa ny asa rehetra, araka ny fanambaran’ny mpitantana, noho ny savorovoro mitranga eto Antananarivo. Ilaina amin’ny antontan-taratasy fangatahana hifaninana nefa ny diplaoma.

Nampiaina ny zavamananaina ny orana nila­tsaka ny talata alina teo, teto an-dRenivohitra sy ny manodidina. Niakatra kosa ny haavon’ny rano ary
betsaka sahady no sahirana vokatr’izany. Efa nisy ny ezaka natao hanokafana ny lakandrano hikorianan’ny ranonorana fa tototry ny fako.

Partager sur: