Manoloana ny vanim-potoana sarotra lalovan’ny firenena, izay miteraka havizanan-tsaina ho an’ny maro, mitondra fitsinjovana sy tohana maimaimpoana ny Holafitry ny Psykology eto Madagasikara (ONPM).
Tolotra maimaimpoana sy an-tsitrapo momba ny tohana ara-tsaina no hataon’izy ireo amin’izany. Misy ny toerana hifampizarana azo antoka ho an’ny fihainoana sy fanohanana izay iarahana amin’ny psykology mba hanampiana ny mpiray tanindrazana amin’ izao vanim-potoana sarotra izao.
Anio no hanatanterahina izany eto Antananarivo, amin’ ny 8ora haramin’ny 9 ora sy sasany, ka hiompana amin’ny fomba fitantanana ny adintsaina amin’izao toe-draharaha izao no horesahina amin’ izany.
Amin’ny 9 ora hatramin’ny 10 ora sy sasany kosa no iresahana mahakasika ny tsy fitovian-kevitra isam-pizaran-taona samihafa ao anaty fianakaviana ka ny teknika ahafahana miara-miaina manoloana izany.
Ireo fanohanana ireo (olona 20 isaky ny vondrona) dia fotoana ahafahana mizara, mandray fanohanana ary mitady loharanon-kery hiarahana mandroso.
Mila misoratra anarana mialoha ao amin’ny kaonty fesibokin’ny Holafitry ny psykology ireo maniry hiatrika izany, ho fandaminana.
Tatiana A




