SOMBIM-BAOVAO

Hotanterahina ao amin’ny Kianja monisipaly Manakara ny basikety lalaovin’olona 3, “3×3 Panga­lanes”. Fifaninanana hotontosaina ny 4 sy 5 oktobra izao. Ny sokajy latsaky ny 13 taona, latsaky ny 15 taona, latsaky ny 17 taona ary ny Open lahy sy vavy, no hatao mandritra io roa andro io. Ny ligin’ny basikety Fito­vi­nany no mikarakara ny hetsika ary 20 000 Ar ny saram-pisoratana anarana amin’izany.

Niray hina tamin’ny mpanao gazety rehetra ny fikambanan’ny mpanao gazety ara-panatanjahantena (UJSM), taorian’ny herisetra nihatra tamin’ny mpanao gazety ny talata teo. Niaraka nivory sy nanatitra ny taratasy fitoriana teny Anosy ny solontenan’ny biraon’ ny UJSM, omaly maraina, ary nanambara fa manameloka ny herisetra atao amin’ny mpanao gazety manatanteraka ny asany.

Hanomboka ny 5 oktobra izao ny “Challenge Mini-basket 2k25-3×3”, karakarain’ny seksionina Antananarivo Renivohitra. Ny sokajy manomboka
amin’ny latsaky ny 10 taona hatramin’ny latsaky ny 16 taona, lahy sy vavy, no handray anjara amin’izany, izay efa nanomboka ihany koa ny fisoratana anarana. Rahampitso no hanatanterahana ny fivoriana ara-
teknika, araka ny fandaharam-potoana napetraka.

Partager sur: