TSELATRA

Mitohy ny fampiharana manerana ny boriborintany enina, eto an-dRenivohitra, ny hamehana manomboka amin’ny 8 ora alina hatramin’ny 4 ora maraina, nanomboka ny alatsinainy lasa teo. Hisorohana ireo mpanararaotra eny anivon’ny fiaraha-monina sy hitandrovana ny filaminan’ny tanàna izany.
Dahalo mpangalatr’omby lavon’ny zandary tao Antanetilava, fokontany Igagarana, kaominina Miarina­rivo, afakomaly. Nentin’ireo olon-dratsy telo lahy ny omby miisa roa. Nandrasan’ny zandary kendry tohina ireo mpangalatra. Maty voatifitra ny dahalo iray. Tafaporitsaka ny namany.
Telo lahy nikasa hangalatra nifanehatra tamin’ny mpiambina amin’ny alina, tao Sahanivotry, Antsirabe, ny 29 septambra teo. Nataon’ireo mpiambina fanadihadiana izy telo lahy ka niteny mora foana ny fikasan-dratsin’izy ireo. Naterina nihazo ny biraon’ny zandary ireto farany.
Fiara tsy mataho-dalana iray nidona tamin’ny andrin-jiro tao Ankirihiry, kaominina Toamasina, afakomaly alina. Tsy nisy ny aina nafoy, raha toa ka potika tanteraka ny lohan’ilay 4×4.

Partager sur: