Tsipy kanetibe-Mondial 2025 : Vonona ny ekipam-pirenena malagasy

J-9 amin’ny fanombohan’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja tsipy kanetibe, sokajy vehivavy, anio. Fihaonana hotantera­hina any Douaisis, France, ny 9 hatramin’ny 12 oktobra ho avy izao. Vonona hiatrika izany ny ekipam-pirenena malagasy izay efa any an-toerana rahateo, amin’izao fotoana izao. Ao anatin’ny fanitsiana farany ireo pitsompitsony madinidi­nika sisa ny mpanazatra.
Nohamafisina ny toe-batana sy ny toe-tsaina hoentin’ireo mpilalao miatrika izany, araka ny fampitam-baovao. Tsiahivina fa efa niatrika ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany natao tany Italie, teo amin’ny olon-droa miaraka, i Fana sy i Tita, ka efa nahitsy ireo lesoka tamin’ izany.
Mialoha ny tena hiatre­han’izy ireo ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, misy ireo lalao sedra sy fitsapana hatrehin’ny ekipa any France. Ankoatra izay, misy fikambanana sy klioba tsara sitrapo manome kianja hanaovana fanazarantena isan’andro, hitazomana ny hery sy tanjaky ny mpilalao. Mahazo kianja voatafo ihany koa izy efatra mirahavavy, raha toa ka avy ny orana hanohizany izay fanomanantena izay. Maro amin’ireo Malagasy monina any France no manohana ny delegasionina malagasy amin’ ny lafiny rehetra. Ankoatra ny fanazarantena, misy koa ny hetsika fanamafisana firai­sankina sy fanomanana ny saina.

Tompondaka

Partager sur: