Manohana ny skoto, sampana eto Madagasikara ny avy amin’ny foibe maneran-tany. Miara-miatrika ny krizy amin’ny Firaisan’ny skotisma eto Madagasikara (FSM) izy ireo.
Manoloana ny fikorontanan’ny firenena, nitondra hafatra sy fankaherezana ho an’ny skoto eto Madagasikara ny tonian’ny Foibe skoto maneran-tany, David Berg, sy ny talen’ny foibe skoto eto Afrika, Frédéric Kamakama. «Maneho ny firaisankina lalina amin’ny Firaisan’ny skotisma eto Madagasikara (FSM), amin’ny anaran’ny Skotisma maneran-tany (OMMS), izahay amin’izao fotoan-tsarotra misy hetsi-bahoaka ao Madagasikara izao», hoy izy ireo.
Tsy irery ianareo amin’izao fotoan-tsarotra izao. Mijoro tsara eo anilanareo izahay ary matoky fa hitoetra ho loharanon’ny fandriampahalemana sy fifampiresahana ary ny firotsahana ho an’ny mpiara-belona sy ny firenena iray manontolo. Loharano manohana sy mampahery ny olom-pirenena, hoy ny fanambarana.
Iaraha-mahalala ny fahasahiranana ara-toekarena sy ara-tsosialy niteraka izao savorovoro izao. Fantatra fa mavesa-danja amin’ny andavanandrom-piainan’ny Malagasy, ny zava-misy ka matetika ny tanora no tena iharan’ny tsy fandriampahalemana. Fantatra fa miaraka mahatsiaro ny tranga eto ny Skoto manerana izao tontolo izao, ary miarina sy manantena ihany koa.
Vao mainka mampahory ity vaovao ity satria vao tsy ela akory ny fahombiazana lehibe tamin’ny Fivoriamben’ ny skoto Afrikana faha-19 sy ny «Forum Tanora skoto afrikanina» faha-10. Hetsika izay nokarakaraina tamin’ny lohahevitra ho “Miara-miaina ho amin’ny fandriampahalemana”. Niainana fahalalahan-tanana, namela fahatsiarovana tsy hay hadinoina momba ny firaisankina sy ny fandraisana vahiny ary ny aingam-panahy izany. Azo antoka fa ny faharetana, ny fanoloran-tena ary ny herim-po nahatonga ireo hetsika ireo ho fahombiazana dia hery lehibe hiatrehana ny sedra amin’izao fotoana izao.
Tatiana A




