Ho fiarovana ny tanàna onenana sy ny mponina rehetra ao aminy, niverina indray ny fametrahana ny andrimasom-pokonolona isaky ny kartie eto Antananarivo sy ny manodidina taorian’ny trangana fandrobana ny alin’ny alakamisy 25 septambra lasa teo. Tara-kevitra avy amin’ny mpiray fokontany no nananganana ireo kaomity hisahana ny fandriampahalemana. Nisy ny fivoriambe niarahan’ny mpiray tanàna, ny faran’ny herinandro teo, ary nizarazara isaky ny kartie, avy eo, momba ny lamina anatiny. Nandefa solontena iray na mihoatra ny isan-tokantrano nandray ny toromarika rehetra. Ireo tsy afaka nandefa olona kosa nanome tohana ara-bola hividianana vatsy mandritra ny alina.
Hatreto, tsy naharenesana korontana na fandrobana ny fokontany efa nametraka ny andrimasom-pokonolona ao aminy. Miray hina ny mponina ary mifampizara vaovao hatrany mba hitovy ny fomba fijery ny zava-misy.
Miara-miasa amin’ny mpitandro filaminana eo an-toerana ihany koa ny andrimasom-pokonolona satria izy ireo no manana fitaovana raha sendra misy trangana asan-jiolahy.
Vonjy




