Sekoly tsy miankina : Mianatra tapakandro ny kilasy manomana fanadinana

Manoloana ny zava-misy eto amin’ny firenena, tao anatin’ny herinandro, niezaka nihaona tamin’ny ekipan’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ny mpitantana ny Vovonan’ny fiombonamben’ny sekoly tsy miankina eto Madagasikara fa tsy mbola tanteraka. Tsy maintsy nandroso vahaolana anefa izy ireo momba ny fizotry ny fampianarana amin’ny ankapobeny, araka ny fanazavan’ny sekretera jeneraliny. Fepetra noraisina, amin’ny ankapobeny, fa ny toerana tsy ahitana hetsika miseho afaka manohy ny fampianarana araka ny lamina efa napetraka. Ho an’ny faritra itrangan’ny fihetsiketsehana kosa, miankina amin’ny fahatsapan’ny talen-tsekoly ny zava-misy ny fepetra raisina. Raha ahina hanohintohina ny filaminan’ny fampianarana sy ny ain’ny mpianatra dia azo atsahatra izany. Ho an’ny kilasy hiatrika fanadinana, kilasy 3ème sy Fa­maranana kosa, mianatra tapakandro izy ireo.
Tsy nisafidy ny hanome fizarana na fampiharana entina any an-trano ny mpanabe ho an’ny sekoly tsy miankina satria tsapa fa tsy mahomby ity fomba ity, hoy ny nambarany. Tsy mitovy ny manao ilay fizarana eo ambany fanaraha-mason’ny mpanabe sy ny manatontosa izany any an-trano. Raha tsy voafehin’ilay mpianatra ny fizarana omena azy, tsy afaka mitondra fani­tsiana ny mpanabe raha tsy miverina ny fampianarana any an-dakilasy ka hiotrika fotoana lavabe ilay hadisoana.

Vonjy

Partager sur: