SOMBIM-BAOVAO

Nanainga omaly, nihazo an’i Lybie, i Nicolas sy i Fenohasina, Malagasy mpilalao baolina kitra. Hamonjy ny kliobany Al Merrik izy mirahalahy amin’ny fanohizana ny fifaninanana nasionaly ataon’izy ireo. Fihaonana hotanterahina ny 4 oktobra ho avy izao, raha tsy misy ny fiovana. Tsiahivina fa mpilalao niatrika ny Chan izy mirahalahy ireo.
Noho ny toe-draharaham-pirenena misy amin’izao fotoana izao, maro ireo fifaninanana eo amin’ny taranja mekanika nofoanana. Anisan’izany ny “Grand Prix Karting”, tokony hatao ny 5 oktobra izao. Eo koa ny “Slalom FSAM”, ny 11 sy 12 oktobra ary “Rallye virtuel”, ny 18 oktobra sy ny “Run MSA”, ny 30 oktobra 2025.
Nofoanana ny fiofanana natokana ho an’ny mpampianatra ny taranja Karate, hahazoana ny mari-pahaizana DAF (Diplôme d’animateur fédéral), araka ny fampitam-baovao avy amin’ny Federasionin’ny Karate-do malagasy. Fiofanana nokasaina hatao manomboka ny 11 oktobra izao. Nohamafisin’ny FKM fa antony tsy miankina amin’izy ireo sy ny ANS no nahatonga izao fanafoanana izao.
Ekipa afrikanina 20 no handray anjara amin’ny “Fiba Africa Regional Youth Camp 2025”, sokajy vehivavy, hatao any Le Caire, Egypte, ny 12 hatramin’ny 15 oktobra izao. Anisan’ny hanana solontena amin’izany i Madagasikara. Ho an’ny sokajy lehilahy kosa, ny 15 hatramin’ny 19 oktobra kosa ny hanaovana izany ary tsy mbola voafaritra ny toerana.

Partager sur: