Fampianarana teknika: Nivoaka ny tetiandrom-panadinana sy ny fisoratana anarana

Mba hahafahan’ny rehetra voakasika miomana, indrindra ireo mpianatra eny amin’ny sampana teknika, nivoaka ny tetiandro ho an’ny fisoratana anarana amin’ny fifaninanana samihafa.

Namoaka ny tetiandro ofisialy mahakasika ny fisoratana anarana amin’ny fanadinana sy ny fanatanterahana ny fanadinana taona 2026 ny minisiteran’ny Fampia­narana teknika sy ny fanofanana arakasa. Tamin’ny alalan’ny fitaleavana misahana ny fanadinana no nanaovana izany ta­min’ity herinandro ity. Ho an’ny fanadinana fifaninanana hidi­rana taona voalohany eny anivon’ny Lycée teknika manerana ny Nosy, hisokatra ny 12 ja­noary 2026 ary hikatona ny 20 marsa ny fisoratana anarana. Hotanterahina ny 18 sy 19 jona ny fifaninanana ho an’ny mpiadina maniry ny hianatra eny amin’ny toeram-pampianarana teknika.
Ho an’ny fanadinana hahazoana ny mari-pahaizana Bre­vet d’études professionnelles, mitovy amin’ny datin’ny fanadinana hidirana amin’ny taona voalohany amin’ny Lycée teknika ny fandraisana ny fisoratana anarana. Hiatrika ny fanadinana kosa ny 29 jona hatramin’ny 2 jolay ireo tanora amin’ny taona fahatelo eny amin’ny Lycée teknika.
Mitovy avokoa ny tetiandro hametrahana ny antontan-taratasy fangatahana hiatrika ny fanadinana hahazoana ny Certificat de fin d’apprentissage (CFA), ny certificat d’aptitude professionnelle (CaP), ny certificat d’aptitude professionnelle spécialisée (Caps).
Ny 29 jona hatramin’ny 1 jolay ny fanadinana ho an’ny CFA. Ny 6 ka hatramin’ny 9 jolay kosa ho an’ny CAP ary ny ny 3 aogositra hatramin’ny 7 aogositra ho an’ny Caps.
Ho an’ny tanora vonona hiditra taona voalohany amin’ny Caps kosa, hanomboka ny 7 avrily hatramin’ny 5 jona ny fisoratana anarana, hatao ny 14 sy 15 jolay ny fifaninanana.
Fampahafantarana ho an’ireo ray aman-dreny, mpianatra, mpampianatra, mpiara-miombon’antoka ary tomponandraikitra rehetra eo anivon’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa manerana ny Nosy no tanjona mba hahafahany miomana.

Vonjy

Partager sur: