Judo-“tournoi de Hainaut”: Mpikatroka 7 avy amin’ny JCA handray anjara

Hotanterahina amin’ity faran’ny herinandro ity ny fifaninanana “Tournoi de Hai­naut”, taranja Judo, izay hatao any Belgique. Tsy diso anjara amin’izany i Madagasikara fa hanana solontena amin’ny alalan’ny Judo Club Atrika (JCA) Atsinanana. Ny mpanazatra, ny Maître Raoelison Annie no hitarika ny delegasiona malagasy, izay ahitana mpikatroka 7 mianadahy. I Davidson Joy, Cadette -52kg, Ramampiandra Dylane, Mini­me -60kg, Andriamitan­drina Mana, Minime -55kg, Ramam­piandra Yasmane, Benjamin -34kg, Andriamitandrina Fehi­zoro, Benjamin -38kg, Andria­mihaja Maëva, Benjamine -36kg ary Andriamihaja Ma­heri, Poussin -34kg no na­nainga omaly, hihazo any an-toerana. Tsiahivina, nandray anjara ma­vitrika tamin’ny fanohanana ireo atleta ireo ny Ray aman-dreniny, teo koa ny klioba izay nitady ny fomba rehetra nahafahana nitondra azy 7 mianadahy ireo. Na­nampy teo amin’ ny fikaraka­rana ny ara-taratasy ihany koa ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahan­tena, izay notoloran’ny klioba fisaorana. Haka traikefa, fa hitady fandresena ihany koa ireto Malagasy solontena izay tena mbola tanora tokoa ireto.

Mi.Raz

Partager sur: