Manoloana ny fisehoana tranga herisetra mahazo ny ankizy ao anatin’izao korontana eto amintsika izao, namoaka fanambarana faharoa indray ny Vovonan’ny firaisamonim-pirenena misahana ny ankizy (PFSCE) tamin’ity herinandro ity. Mbola mitombo ny herisetra mianjady amin’ny ankizy sy ny zaza, indrindra amin’ny fahasemporana vokatry ny baomba mandatsa-dranomaso, saika ho isan’andro. Misy koa ny ray aman-dreny mitondra ny zanany ao anatin’ny fihetsiketsehana, mitarika ny fahavoazana sy mitera-doza ho azy ireny.
Maro koa ireo zo voahitsakitsaka, toy ny zo hisitraka fampianarana ao anatin’ny fitoniana, zo ho voaaro amin’ ny herisetra sy ny fanararaotana samihafa. Vokatr’izany, miaina ao anaty tebiteby sy hirifiry ny zaza maro ka nanaovan’ny Vovonana antso avo. Manameloka ny fanaovana herisetra amin’ny endriny maro, indrindra amin’ny ankizy, izy ireo. Tokony tsy halefa amin’ ny toerana manakaiky sekoly, toeram-pitsaboana, trano fonenana, ny baomba mandatsa-dranomaso ary mila mandray fepetra ireo tomponandraikitra mahefa.
Mangataka ny fanokafana fanadihadiana amin’ireo tomponandraikitra amin’ny fanaovana herisetra, miantso ny rehetra tsy hanao sorona ny ankizy ao anatin’ny fitakiana atao ny PFSCE.
Tokony hiara-hientana ny rehetra hiaro ny ankizy ao anatin’ny savorovoro miseho eto amintsika.
Vonjy




