Nanainga ny alakamisy alina teo ny delegasionina malagasin’ny taranja Échecs, hiatrika ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany, sokajy “Jeunes”, tanterahina any Durres, Albanie. Aina Masambatra, Irvin Keynnan, Miarana Irinah ary Dimbiharentsoa Christiana no nanainga teto Madagasikara ary hamonjy an’i Fitia Noah sy Sombin’Aiko efa any an-toerana.
I Verné Prinsloo, teratany Afrikanina tatsimo, no hifanandrina amin’ny Malagasy mpikatroka, Rasoanirina Olga, mandritra ny “Battle of Africa”, taranja Muay Thai, hotanterahina any Maorisy, ny 18 oktobra izao. Tsiahivina fa i Olga no nandrombaka ny fandresena tamin’ny “Muay Thai Tournament 2”, natao teny Mahamasina,teo amin’ny sokajy latsaky ny 60 kg, vehivavy.
Ao anatin’ny fanavaozana ireo mpitantana rehetra amin’ireo rafitra isan’ambaratonga ny eo anivon’ ny taranja basikety, ankehitriny, araka ny fampitam-baovao nataon’ny Federasionina malagasy. Araka izany, nahavita ny fifidianana ny teo anivon’ny seksiona basikety Betafo, ka lany ho filoha i Voahirana Rita. Hitohy amin’ny seksiona 5 hafa ny fifidianana ary hifarana amin’ ny fifidianana eo anivon’ny ligim-paritra Vakinankaratra.




